Salama Tompoko

Salama Tompoko

Miarahaba anao tonga soa eto amin’ity takelaka « Rediredin-dRasamy » ity. Takelaka amin’ny teny malagasy ranoiray. Natao indrindra hanehoana fa velona ny teny malagasy ary azo ampiasaina tsara amin’itony pejy fampitam-baovao toy ny bilaogy itony.

Ato no firaketana ny asa soratro izay hiseho amin’ny endriny samihafa mba tsy ho very fa ho voatahiry hatrany. Ho hitanao ato ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina malagasy izay asehoko amin’ny alalan’ny tononkalo indrindra indrindra. Misy ihany koa fitantaràna ireo fampisehoana an-tsehatra izay mety hatrehiko eto an-drenivohitra na any an-toeran-kafa. Hisy lahatsoratra hafa ihany koa mba ho fankaherezana sy fampianarana ireo zandry sy zanaka amin’ny maha mpampianatra ahy.

Eto dia manamarika ny tenako izay mpanoratra ity takelaka ity fa fitiavana manoratsoratra fotsiny ihany izay mibosesika ato anaty no manosika ahy hanoratra. Tsy manana firehana politika aho ary tsy mpanao politika. Olon-tsotra miaina am-pahatsorana toy ny malagasy maro mba miezaka mizara zavatra tsara ho an’ny hafa ary vonona hanandratra ny teny malagasy.

Fiainana andavanandro no voasoratra ato ary izay aingam-panahy tonga dia soratana tsy misy sivana arak’izay azo atao. Ho hitanao arak’izany ato ny karazana ady rima izay mety mampihomehy, mety misy fitenin-jatovo faheno andavanandro ihany koa. Ifonana mialoha arak’izany ho an’izay mety ho mora tafitohina.

Raha toa kosa mahaliana anao ny lahatsoratra izay ataoko amin’ny teny vahiny dia azonao tsindriana ity rohy eto ity. Ny tanjona dia tokana ihany :

« Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko »

Mazotoa mamaky ary tompoko

Rasamy