Betsaka ireo olona,izay nandeha nitolonateny Analakely ka hatreny Anosy,no voan'ny daroka sy voahosihosy,nataondry bebasy tsy nahita izay mangirana.Misy ireo naratra, be no nihasahiranaMafy koa raha mafy ny zavatra zakainyTsy lazaina intsony ireo namoy ny ainy Fa misy ireo nitolona teny ihany koa,no lasa minisitra, na lasa eny Iavoloha,na farafaharatsiny aloha nahazo seza.Misy vetivety dia bolangina … Continuer à lire Mpitolona
Ekeo
Raha toa ianao ka te hiainaanaty filaminan-tsaina,dia ekeo izay tsy hay ovaina,f'aza manary hery sy aina. Raha misy tsy azonao amboarina,na tsy vitanao takarina,dia ekeo f'izay no marina,f'aza ny kiry no amparina. Ny fahoriana izay manjo,dia tsy mba noho ny sitrapo,ekeo fa lahatra ihany koa,f'aza dia mamoy fo. Rasamy
Sedra
Mafy koa raha mafy ny sedra nolalovanaNy fo no narary, ny vatana torovanaSatria tampoka eo tsy nisy nanampoFahoriana lalina no nihatra sy nanjo Mainka koa nanampy ny eso sy ny latsaNampitombo indray ny sento sy ny ratraSoratany daholo izay tonga tao an-tsainyIlay manenji-dresy dia zavatra mba hainy Isika anefa hijoro, tsy hitanondrika intsonyNy famaliana moa … Continuer à lire Sedra
An’Andriamanitra ny famaliana
Tomany ny fianakavianaLasa ianao ry HaingotianaTsy hita intsony izay teneninaMaty tsy nialàna neninaTsy aretina tsy notsaboinaFa fanahiniana novonoinaTsy nasiana indrafoTena mahavaky fo Mitomany izahay, mahatsiaro ho mararySatria ireo olo tsy manjaryNo namono tsotra izaoNanapitra ny andronaoSady tsisy fitsitsianaFa tena feno habibiana Mainka nitombo ny fitomanianaF'iny andro iny ry HaingotianaHay ianao afaka bakaMafy mila tsy ho … Continuer à lire An’Andriamanitra ny famaliana
Mivavaka
Mivavaka isika, mivavaka eny foanaMivavaka ao an-trano sy any am-piangonanaMivavaka isan'andro, eny mandavan-taonaNa misy fahoriana na fety aman-danonana Mivavaka isika rehefa hihinam-bary Andriamanitra ô tahio ny sakafonay Omeo ireo tsy manana, sitrano ny marary Hatramin'ny ankizy mivavaka ohatr'izay Maro ireo mivavaka alohan'ny fandriana Misy koa mivavaka fa tonga ny maraina Mivavaka misaotra sy mangata-pitahiana Mandohalika … Continuer à lire Mivavaka
Manàna faharetana
Anaka,Tsy tongatonga hoazy re ny fahombiazanaMatetika ny lalana dia sarotra sy mazanaMila fikirizana sy fifehezan-tenaTsy mora kivikivy raha misy faharesena Manàna faharetana amin'izay ataoManko any aoriana dia ho tsapanaoFa tena mahasambatra ny valin-kasasaranaVokatry ny ezaka tsy nisy fitsaharanaSy noho ny herim-po sy fikelezan'ainaAry noho ny fahaizana mampiasa saina Ny hoe tafita koa tsy hoe miliarideraNanankarena … Continuer à lire Manàna faharetana
Fahavoazana
Tsisy fiadanana mihitsy ilay vahoakaToa ratsy daholo ny vaovao mivoakaHala-jaza etsy, vono olona eroaManimba ny saina sy mankarary foRomotra ny olona, sady mitaintainaToy ny tsisy vidiny mihitsy manko ny ainaMampivarahontsana ny zavatra misehoSady mahakivy no zary mankaleo Iza mihitsy ary no fositra amin'izany ?Tombotsoan'iza raha tsy milamina ny tany?Moa va ny very seza no manao … Continuer à lire Fahavoazana
Halantsika
Mahavariana kosa isika indraindray Halantsika loatra mantsy ny frantsayTampoka eo anefa dia isika ihanyNo maniry mafy ho any an-taniny anyMilaza ho tsy tia frantsay mpanjanakaNefa ny fiteniny no ampianaran-janaka Maro tena maro koa no tsy tia karànaLazaina fa mpangorona harena eto an-tanànaNefa etsy andaniny mampanontany tenaFa ny magazainy no maro mpiantsenaMitovy tsisy valaka amin'izany ihany … Continuer à lire Halantsika
Fetin’ny Ray
Eny e, fandretsika ombienyhoe hafa ihany i NenyI Neny izao sy izao,ilay Neny tia anaoI Neny ilay nitondra ankibo sivy volanaIlay mpanambitamby raha sendra misy olanaNy hatsaran'i Neny tsy hary ho voatanisaNeny be fitia sy ny sisa sy ny sisaAry dia ny fetiny no tena ankalazaina,fa kosa ny an'ny Ray somary fety maina Asa re … Continuer à lire Fetin’ny Ray
Efatra amby dimampolo
Efatra amby dimampolo izao ny taona izay niainakoEfa zokinjokiny ihany raha ny toetra sy fisainakoTsy afaka hiteny intsony hoe izaho anie mbola tanoraSatria manomboka mandeha sy mizotra moramoraMihamanantona ny farany, ho lasa vovoky ny tanyFa mbola velona aho aloha dia mifaly androany Faly tamin'ny efa vita sy amin'izay mbola kasainaNy fiainako anio dia isaorako Ilay … Continuer à lire Efatra amby dimampolo









