Miarahaba

Miarahaba

Miarahaba anao,
nahatratra indray izato taona vaovao.
Dia mirary soa
mba ho tanteraka avokoa
izay rehetra faniriana.
Mba ho feno fifaliana anie
ny andronao rehetra,
ary koa tsy hanam-petra
ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Ilay Nahary
Indrindra ho salama tsy harary

Ho ambinina ianao
amin’izay rehetra atao
Hitombo koa ny harena
ka hanan’amby mba homena
ireo sahirana tsy manana.
Hanjaka anie ny fiadanana
eo anivon’ny ankohonana,
sady ho feno fiombonana.
Fiainana toy izany
no iriko ho antsika manomboka androany

Rasamy

Laisser un commentaire