Etsy ange ianao,
Ilazako vaovao
Hitako androany
Nihaona tany ho any
Hono ireo mpifahavalo:
« Mapar » sy « Ravalo ».
Taon-dasa tsy tsaroana
Ireo fifamonoana
Ady sy fifamaliana
Hatramin’ny fianakaviana.
Tadidinao reo teny
Faheno ombieny ombieny:
« Iretsy ireo foza
Izay nahavanon-doza
Nanongam-panjakana
Namotika tanàna »
« Iretsy zanak’Osy
Ilay nanosihosy
Sady vangavanga
Mpanao ampihimamba ».
Izany rehetra izany
No re teto hatrany
Tsy nisy fiafarany
Mila hampitomany.
Indreo ankehitriny
Afaka ny tsiny
Hifankatia indray
Hihavana amin’izay.
Satria hitady seza
Samy te ho ngeza
Ny lasa aleo fafàna
Ampy izay ny fandravàna
Atao toy ny tsy misy
Eny hoy aho indrisy
Ireny fahotana
Tena nigagana.
Dia ireto vahoaka
No avy indray hitsaoka
Hihoby sy hiarahaba
Hafa ihany i Dada.
I zandrikely indray
Ho lazainy fa mahay
Hitondra fanjakana
Mpanaraka lalàna
Rasamy