Auteur : rasamison

An’Andriamanitra ny famaliana

An’Andriamanitra ny famaliana

Tomany ny fianakavianaLasa ianao ry HaingotianaTsy hita intsony izay teneninaMaty tsy nialàna neninaTsy aretina tsy notsaboinaFa fanahiniana novonoinaTsy nasiana indrafoTena mahavaky fo Mitomany izahay, mahatsiaro ho mararySatria ireo olo tsy manjaryNo namono tsotra izaoNanapitra ny andronaoSady tsisy fitsitsianaFa tena feno habibiana Mainka nitombo ny fitomanianaF'iny andro iny ry HaingotianaHay ianao afaka bakaMafy mila tsy ho … Continuer à lire An’Andriamanitra ny famaliana

Mivavaka

Mivavaka

Mivavaka isika, mivavaka eny foanaMivavaka ao an-trano sy any am-piangonanaMivavaka isan'andro, eny mandavan-taonaNa misy fahoriana na fety aman-danonana Mivavaka isika rehefa hihinam-bary Andriamanitra ô tahio ny sakafonay Omeo ireo tsy manana, sitrano ny marary Hatramin'ny ankizy mivavaka ohatr'izay Maro ireo mivavaka alohan'ny fandriana Misy koa mivavaka fa tonga ny maraina Mivavaka misaotra sy mangata-pitahiana Mandohalika … Continuer à lire Mivavaka

Manàna faharetana

Manàna faharetana

Anaka,Tsy tongatonga hoazy re ny fahombiazanaMatetika ny lalana dia sarotra sy mazanaMila fikirizana sy fifehezan-tenaTsy mora kivikivy raha misy faharesena Manàna faharetana amin'izay ataoManko any aoriana dia ho tsapanaoFa tena mahasambatra ny valin-kasasaranaVokatry ny ezaka tsy nisy fitsaharanaSy noho ny herim-po sy fikelezan'ainaAry noho ny fahaizana mampiasa saina Ny hoe tafita koa tsy hoe miliarideraNanankarena … Continuer à lire Manàna faharetana

Fahavoazana

Fahavoazana

Tsisy fiadanana mihitsy ilay vahoakaToa ratsy daholo ny vaovao mivoakaHala-jaza etsy, vono olona eroaManimba ny saina sy mankarary foRomotra ny olona, sady mitaintainaToy ny tsisy vidiny mihitsy manko ny ainaMampivarahontsana ny zavatra misehoSady mahakivy no zary mankaleo Iza mihitsy ary no fositra amin'izany ?Tombotsoan'iza raha tsy milamina ny tany?Moa va ny very seza no manao … Continuer à lire Fahavoazana

Halantsika

Halantsika

Mahavariana kosa isika indraindray Halantsika loatra mantsy ny frantsayTampoka eo anefa dia isika ihanyNo maniry mafy ho any an-taniny anyMilaza ho tsy tia frantsay mpanjanakaNefa ny fiteniny no ampianaran-janaka Maro tena maro koa no tsy tia karànaLazaina fa mpangorona harena eto an-tanànaNefa etsy andaniny mampanontany tenaFa ny magazainy no maro mpiantsenaMitovy tsisy valaka amin'izany ihany … Continuer à lire Halantsika

Fetin’ny Ray

Fetin’ny Ray

Eny e, fandretsika ombienyhoe hafa ihany i NenyI Neny izao sy izao,ilay Neny tia anaoI Neny ilay nitondra ankibo sivy volanaIlay mpanambitamby raha sendra misy olanaNy hatsaran'i Neny tsy hary ho voatanisaNeny be fitia sy ny sisa sy ny sisaAry dia ny fetiny no tena ankalazaina,fa kosa ny an'ny Ray somary fety maina Asa re … Continuer à lire Fetin’ny Ray

Efatra amby dimampolo

Efatra amby dimampolo

Efatra amby dimampolo izao ny taona izay niainakoEfa zokinjokiny ihany raha ny toetra sy fisainakoTsy afaka hiteny intsony hoe izaho anie mbola tanoraSatria manomboka mandeha sy mizotra moramoraMihamanantona ny farany, ho lasa vovoky ny tanyFa mbola velona aho aloha dia mifaly androany Faly tamin'ny efa vita sy amin'izay mbola kasainaNy fiainako anio dia isaorako Ilay … Continuer à lire Efatra amby dimampolo

Indraindray

Indraindray

Asa ianao raha toa ahy, f'indraindray aho mahatsiaroTe hitokatoka-monina, te hiala amin'ny maroMila toerana milamina, mitady faritra manginaMampifalifaly saina, sy mitondra fitoniana Tsy te haheno tabataba, leo korontana ihany koaMankafy zava-boary, manadio ny ao am-poTsy te handre ilay finday, izay maneno tsisy faranyFeom-borona no reko, na dia tsy haiko izay ambarany Tsy adala aho akory, … Continuer à lire Indraindray

Mpitondra fivavahana

Mpitondra fivavahana

Mpitondra fivavahana

Ny reny

Ny reny

Ny renintsika tany aloha,dia nahay nanasoa,sy nikolokolo ny tao an-tokatranoReny mpitaiza sy mpitantara anganoReny nipasoka sy nahandro varyNikarakara vady ho salama tsy hararyNanome fitia sy nanabe ny zananyHavanana amin'ny zaitra sy ny asatananyNanaja andefimandry sy nandefitra ihany koaMahatehidera ny reny tany aloha Niova moa ny fiainana nony aty aorianaBetsaka ny reny mandao ny fandriana,fa mifoha … Continuer à lire Ny reny