Etsy matoria

Etsy matoria

Etsy anie ianao, izany malalako izany
Fafao ny ranomaso, aza mitomany
Ny olona avelao, hamoaka ny ao am-pony
F’isika aleo hangina, tsy hiloa-bava intsony

Ny eritrerintsika, madio tsy misy pentina
Ny tokantranontsika, salama tsisy aretina
Ny vinavinantsika, mazava toa masoandro
Ny asa ataontsika dia marina isan’andro

Koa aleo izy hiteny, handrabiraby antsika
Ny antsika ny fiainana, atao toy ny mozika
Mozikan’ny fitiavana, feno hatsarana
Saronany avokoa, izay mety ho hadalana

Izy avela hanohy, hanenjika eny foana
Mbola ho menatra izy, rehefa avy ny fotoana
Io marina io mantsy, tsy maintsy mbola hiseho
Ka hampibaribary ny asa ratsin-drizareo

Amin’izay fotoana izay, isika tsy handatsa
Sitranintsika mora, ny fo izay naratra
Hasehontsika aminy fa tsisy tombontsoa
Fa mampivarilavo raha be loatra ny hambom-po

Izay re rahavako, mangina etsy matoria
Ao safoiko izato loha, mahereza matokia
Izaho ampinganao, ianao kosa no mba heriko
Tafandria mandry, f’izaho hanohy ny tsianjeriko

Rasamy

Laisser un commentaire