He satry hiaraka eny foana, hiara-monina eto an-tany
Ny fandaharan’Andriamanitra anefa, dia tsy mba toy izany
Fa na kely na lehibe, lasa foana rehefa antsoiny
Na matanjaka na osa, tsy maintsy hitsahatra ny fony
Anjaranao tokoa no lasa ry Papanay, ry Dadabe
Ilay andry niankinana, ilay tabia sy rehareha
Loharano nipoirana, lohan’ny fianakaviana
No indro lasana nandao, miteraka fitomaniana
Toa tsy mino izany saina hoe ianao no nodimandry
Ilay tsy nitandro hasasarana, be herim-po sy herin-tsandry
Lehilahy be fikirizana, tsy mba lavo tamin’ny fiainana
Tena niasa tamin’ny fo, tsy lany andro am-pitarainana
Izy ilay Ingahimatoa, hentitra ary koa masiaka
Masiaka be ronono anefa, hahatonga anay mba ho tafita
Iza moa no tsy natahotra, rehefa Ingama no mitroatra
Indrindra tamin’izay heveriny ho tsy mety tafahoatra?
Izy anefa dia mahitsy, koa n’iza faly n’iza tsy tia
Sanatria izay miolakolaka, tsy mihatsara ivelatsihy
Nahavita be mihitsy tamin’ny asam-panompoana
Efa niady ny ady tsara, nitahiry ny finoana
Nijoro tamin’ny fahamarinana, n’inona n’inona natao
Ka rehefa hoe tsy rariny, dia miteny tsotra izao
Lehilahy nanetry tena, lavitry ny rehareha
Tsotra fiaina sy fitafy n’aiza toerana naleha
Fady taminy mihitsy izany toaka sy sigara
Izay niseho nanandrankandrana, dia voabedy sy voarara
Tsy ireo zanany ihany fa hatramin’ireo iray tampo
Sy ny zanak’izy ireo, noteneniny avokoa
Fa be fitiavana ihany koa, nanampy indrindra ireo mahantra
Tsy nanosi-bohontanana, fa nandray sy nihantra
Ka na efa maro anaka aza, dia nanaiky tsy an-tery
Nitaiza zaza hafa koa, izay kamboty mbola kely
Laharam-pahamehana taminy, ny fampianarana ny ankizy
Tsy maintsy nianatra sy nisakafo, na nisy aza ny krizy
Raha hanala fanadinana, ka mitady ho kely hery
« Courage foana nama !!!», hoy i papa mampahery
Papa, isaoranay ilay Nahary, nanome anay anao
Tsy mba taona vitsy akory, fa sivifolo be izao
Tsy anjely koa anefa fa mba nanam-pahalemena
Fa ny hany hotsaroanay, ianao ilay feno fahendrena
Eto am-pamaranana ary, ô ry Papa maminay
Izahay taranakao rehetra, hifankatia mandrakizay
Hanaja ny hafatrafatrao, izay naverimberinao hatrany
Sady hira maminao, « Mba mifankatiava ihany ».
Rasamy