Fesiboky fesiboky

Fesiboky fesiboky

A: Ity fesiboky ity ange ry zareo
Miangavy mba avalona hatreo
Tsy misy ilana azy io fa avelao 
Ny asa sy fianarana atao

B: Mangina re ty vava akombony
Ny toetra tsaranao koa tazomy
Dia aza be sermona razoky
F’izahay tena mirevy fesiboky

A: Ka nareo anie toy ny adaladala
Isan’andro eo foana fa tsy miala
Marina tsy toy ny tsisy atao
Fesiboky fesiboky lava izao

B: Ka io samy manana ny reviny
Samy mba mambosaka ny heviny
Misy ny mandefa kalokalo
Ao koa ny mizara tononkalo

A: Ie, dia misy koa ny tia misehoseho
Farany hiboridana avy eo
Sary mitanjatanjaka io foana
Izany no hitanao mandavan-taona

B: Ka inona ary ny olana amin’izany
Sariny io ka izay hanaovany azy any
Raha toa ary izy mampiseho fitombenana
Ho azy fa tsy ho ahy ny fanenenana

A: Dia misy koa sarin’olona mikaly
Nefa ny any Atsimo izao mijaly
Mampidera vola sy harena
Nefa be ny mahantra mosarena

B: Ka ny mahantra tsy manao fesiboky
Ny any Atsimo koa tsy asanay razoky
Io no famelezana an-drafanjakana
Mba hiasa sy hanaraka lalàna

A: Ao koa tena misy fanalam-baraka
Mafy nohon’ny totohondry sy ny daka
Betsaka aza ireo efa nahita angano
Rava hatramin’ny fiainan-tokantrano

B: Izany kosa aloha dia tena hadalana
Ny anay aza io hanovozam-pahalalàna
Ahitana izay mitranga eran-tany
Tsy miandry ela fa dia eo no eo ihany

A: Fa ao koa ny tanora no mifamotoana
Mifampitarika mba hanaonao foana
Tsy misy miafina tsara amin’ialahy
Ny zava-bitan’ilay « famille kanijah »

B: Ireny no atao hoe tanora ratsy taiza
Izany misy foana n’aiza n’aiza
Ny ankizy matoa tsy mahatoky
Tsy voatery vokatry ny fesiboky

A: Dia handeha aho f’ialahy tsy resy doika
Aoriana isika roalahy mifankahita
Veloma koa hono ialahy hoy Madama
Ny ankizy koa ny anay izao mba salama

B: Hay, Veloma ary e dia mandram-pihaona
Amin’ny alahady ny fotoana
Fa i Madama sy ny ankizinao razoky
Hitako isan’andro anaty fesiboky

A: An? Ahoana tsara a?

B: Zany e, aza dia mba matokitoky
Fa ny zanakao efa mifesifesiboky
Dia mba araho maso koa ilay Madama
F’ianao rangahy aza dia mitamatama

Rasamy

Laisser un commentaire