N’inona n’inona mitranga
N’inona n’inona hanjo
Ny lanitra tsy maintsy ho manga
Fa toneo aloha ny fo
Tsy hanaiky ho resy an’ady
Ka hametraka fiadiana
Milofosa hatrany hitady
Ilay fiainam-pifaliana
Aza mandrarak’ilo mby an-doha
Ka hilavo lefona avy hatrany
Misikina herim-po
Aleo mitraka foana ihany
Fa ny fiainana mandalo
Tsy hanindroa na hanintelo
Tiavo hatramin’ny fahavalo
Dia Ampio ireo malahelo
Aza manaiky ny ho ampinga
Ho amin’ny fanaovan-dratsy
Fa tohizo ilay famindra
Mampiseho fa malagasy
Malagasy tia fihavanana
Mankahala ny mosavy
Ka Tandrovina sy tanana
Ilay « Tsy misara-mianakavy »
Rasamy