Inay hono aho mba vorona

Inay hono aho mba vorona

Inay hono aho re mba vorona
Nikopa-kelatra ho any aminao
Ny aiko aza vitako sorona
Mba hialan’izao gadrako izao

Ny foko mitempo mankany
Tsy laitra ampanginina intsony
Asa ianao re izao any ho any
Raha mahita irony kintana irony

Indrisy izato ianao re ry aiko
Mihenahena tsy mety mamaly
Very hevitra mafy ny saiko
Torovana aho sady mijaly

Hay moa ianao ka tsy manina
Hono efa nanova olon-tiana
Izaho voan’ny sangodim-panina
Kely aina fa be faniriana

Izaho naniry hanana anjara
Adala ka dia nanantena
Hofaranako hatreo ny tantara
Lasa aho hamono tena

Kanefa …..

Nieritreritra aho ka tonga saina
Hitraka aho fa tsy hitampify
Aleoko ihany aloha velon’aina
Vody sobiky aza mana-tandrify

Tsofiko rano ary ianao raha handeha
Hanaraka an’iny olona iny
Nefa kosa aza mirehareha
Fa sao dia ho azon’ny tsiny

Ny ho aviko mbola ho tsara
Hamiratra toy ny andro maraina
Ianao iriko ho tsara fiafara
Izaho hahita izay sombinaina

Rasamy

Laisser un commentaire