Mahantra hono hoe mahantra

Mahantra hono hoe mahantra

Mahantra hono ianao ry Taniko
Izany foana no ambarany
Inona no teniny amiko?
Handeha hono izy tsisy farany

Mahantra ianao ry Tanindrazako
Izany no famerimberiny
Moa henoiny izay filazako?
F’efa any Andafy ny eritreriny

Mahantra hono ianao ry Dago
Tsy misy antenaina intsony
Izaho mihintsy ve no bado?
Fa ny taniny aza afoiny

Mahantra hono i Gasikara
Mahakivy mahatola
Izaho ve hono adaladala?
Fa any Ampita misy vola

Mahantra ianao ry Fireneko
Farahidiny eto an-tany
Inona hono ity hagegeko?
Mbola te hitoetra eto ihany

Tsia!

Na Mahantra ianao ry Taniko
Tena tsy azo lavina izany
Matokia fa raha ny amiko
Zaho hanompo anao hatrany

Isika anefa dia hitsodrano
Ho an’ireo izay tsy tamàna
Tsy hitomany hanganohano
Fa hiady handresy fahantrana

Ireo nanovo fahalalàna
Nefa tsy mahalala mody
Maty ve vao an-tanàna?
Sanatria re, aza manody

Fa raha hilentika any jiaby
Iza indray no mba hiantra?
Ilay Tanintsika mianakavy
Zay lazaina fa mahantra

Rasamy

Laisser un commentaire