Olom-boafidy sa olom-boavidy ?

Olom-boafidy sa olom-boavidy ?

Io indray ireo depiote fa miteniteny foana
Taitra tampoka eo tsy hay mihitsy hoe nahoana
Tonga ny andro fivoriana eny an-dapa Tsimbazaza
Dia indreo midongy 4×4 toa manao fisainan-jaza

Io foana hatrany hatrany no ataony fidongiana
Fa tsy ny hahasoa vahoaka no lazaina sy irina
Fiara tsy mataho-dalana no ataony drindrangilo
Rahoviana re nareo vao hisy saina sy hatsilo e ?

Tsy mba tsapan-drizareo izany fahoriam-bahoaka
Raha tsy fiara 4×4, dia vola atao be firaoka
Izany no andaniana andro sy mba antom-pivoriana
Lany henatra va re, tsy mahalala fihafiana?

Sa atao takalon’aina ve ireo lalàna hofidiana
Ka raha mahazo 4×4 dia hanaiky sy hangina?
Rehefa tsisy ny fiara ve dia hiandrandra volabe
Vola anatin’ny « mallette », izay no hany lakile?

Dia hanaiky moramora ve ireo mpitondra fanjakana
Matahotra sy mihorohoro sao tsy ho lany ity lalàna?
Dia hamorona tsy misy, hahita vola vetivety
Hahafa-po ireo voafidy mba ho lasa metimety?

Ny vahoaka kosa indray dia sahirana etsy andaniny
Tsisy jiro, tsisy rano, efa mihinana ny « anganony »
Rahoviana vao hahatsiaro saina ireto olom-boafidy
Sa va re mendrika azy ny hoe olom-boavidy?

Rasamy

Laisser un commentaire