Dia taitra ny vahoaka
fa misy zavatra mipoaka
Inona ary izany ?
hoy ny hafa manontany.
Mihoraka ny ankizy
sahotaka izay tsy izy
kinanjo inona indray
vonjeo fa « MAY MAY MAY »
MAY indray ny Rova
potika ny lova
rava koa ny vakoka
noho ireo mafy hatoka
tsy mba laitra anarina
mihevitra fa fisaka ny marina
ka dia manao izay tiany atao
mandoro lava izao
MAY koa ny tanety
k’indreo manjepirepy
ny mason’ny mpandalo
noho ireo fahavalo
mpandoro firenena
tsy mahatsiaro tena
mandrora mitsilany
mamono tena ihany
MAY ny fivarotana
mampitombo ny hasarotan’
ny fiainana efa mafy,
vokatry ny gafigafy
na koa tsy fitandremana
asa angaha rendremana
fa dia toa niantehatra
tamin’ny labozia mirehitra
MAY koa ny tanàna
fa sendra izay « sagnàna »
lalaovin’ny mpanao politika
manao toetran’alika
te haka fanjakana
lehiben’ny fandravana
mpilalao afo
nefa avy eo vidiana lafo
MAY koa ny olombelona
voadoro mbola velona
satria fitsaram-bahoaka
ka izay tsy tafatsoaka
dia tsy misy fitsarana
n’inona n’inona hadalàna
fa avy dia « Sambory »
« DORY, DORY, DORY ».