Tiako ny taniko ary tiako ny teniko
Nahaizako niantso an’i Dada sy Neny
Tandroviko mafy ilay tenin-dreniko
Ampianariko an-janako miana-miteny
Ny teny ampiasaiko dia ny tenin-drazako
Amin’ny fiainako andavanandro
Satria io no teny voafehin’ny vavako
Moa sitrak’ireo nahitako masoandro
Ianarako anefa ny teny vahiny
Satriko mihitsy aza hahay teny maro
Fa halako kosa re aza tsiny
Ilay gasy vazaha mifangaroharo
Ny isam-paritra koa samy manana
Azo ifandraisana sy ampiasaina
Fa tena tsy tiako ilay vary amin’anana
Fampiasan’ireo miseho manan-tsaina
Aza dia mihambo hoe malagasy
Raha toa ka fiteniny aza tsy hay
Ka na be diplaoma mahay taratasy
Tsy ho malagasy mandrakizay
Tezerako koa ireo manimbazimba
Amin’izato fanoratra toy ny « someso »
Ilay Tenindrazana mantsy no simba
Tsy hay hoe manompa va re sa maneso
Ny Tenindrazana no andrianiko
Ny an’ny hafa kosa hofeheziko
Farafaharatsiny tsy ho very ny amiko
Na aiza na aiza ny tany teteziko
Rasamy