Mpanely tsaho

Mpanely tsaho

Ny malagasy dia mizahozaho
Rehefa handainga sy hanely tsaho
Zava-tsy marina sy tsy mari-pototra
No dradradradrain’ireo lava molotra

Toetran’ny gasy efa hatramin’izay
Ny valala misy, ny mpilaza mahay
Na zavatra kely toa tsy misy fotony
Hitariny lava ary koa sarangotiny

Na dia angano sy resaka abobo
Dia ireo koa fa latsaka anatin’ny vovo
Ireto vahoaka efa kivy sy noana
Ka moa va tsy zary misavoamboana

Dia misy an’izao hono misy an’izao
Tena izany mihitsy hono fa tsy fantatrao?
Lazaiko anao fa izao hono no marina
Kanefa dia lainga namboamboarina

Tsaho miparitaka amin’ny « internet »
Dia mijabaka koa ny mpanao gazety
Nataony takelaka iray manontolo
Izaho indray no menatra mitsangam-bolo

Dia mino tokoa ny valalabemandry
Tsy vavy tsy lahy, tsy zoky tsy zandry
Tsy ny fiainana re no mahatonga an’izao e,
F’isika mihitsy no efa MPANELY TSAHO

Laisser un commentaire