Tiany hono aho ka tiany, tsy ariny intsony
Tsy hay sakanana hono ny fitempotempom-pony
Mbola misy hono ve tsirim-panatenana
Tsy mampaninona azy ny hiaina anaty fahotana
Mijaly loatra hono izy f’efa ela naniriana
Izato sainy mantsy, tsy mino hoe tsy tiana
Hisisika hibosesika, handeha hikiribiby
Atosiky ny fony ka tsy manana safidy
Isan-kalina izy, milaza ho tsy mahita tory
Ny fony no marary, tsy mionona fa ory
Izay vavan’olona hono, henoiny fa tsy ahoany
F’ilay fo efa tia, manohy tsy mety laony
Vonona izy hihafy, ary hibaby kitra
Raha izay no mety vokatr’ity fitia anditra
Ny eo anilako hono, no hany fahasambarany
Manantena hono izy, hiandry hatramin’ny farany
————
Inona no ataoko, hoy aho lasa vinany
Fakam-panahy goavana, tsy misy toy izany
Ho lavo aho sa hijoro, hahavita hanambara
Fa tena tsy azo atao, satria fitia voarara
Voararan’ny lalàna, lavin’ny ankohonana
Fitia adaladala, tsy eken’ny fiangonana
Fitia antsokosoko, manimba sy mampiady
Fitia angalarina, satria izaho manambady
Dia inona no ho ataoko, inona no ambarako?
Aleo tsiambaratelo ny fiafaran’ity tantarako
Rasamy