Ity fireneko ity

Ity fireneko ity

Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra
Ity fireneko ity no mahantra tafahoatra
Sady mahamenatra no mampitomany
Farany amin’ireo firenena eto an-tany

Izany fiainana eto, toa zary tsy mba miova
Izay kely mba mijoro aza, doroina toy ny Rova
Na misy fikasana, hanangana ny rava
Ny vola indray no very, tsisy mba mazava

Ny samy malagasy, mifamely tsisy fiafarany
Ny vahiny indray, tondroina ho mpangala-tany
Ireo tany midadasika anefa tsisy manajary
Ny vokatra tsy ampy, manjaka ny mosary

Mivavaka aho ry Tompo ô, ampio sy jereo
Vahao ity fahantrana izay mampitoreo
Ity fireneko ity re mba asandrato avo
Ny vahoaka koa, ho sambatra sy ravo

Nefa fantatro ry Tompo f’ianao aza any ho any
Mba mety efa leo, manontany tena ihany
Zahay mantsy isan’andro, mivavaka sy mitalaho
Nefa tohizana eny foana ny ratsy izay fanao

Menatra aho ry Ray, tsy hiantso Anao intsony
Izay sitrakao atao, ny foko aleo hitony
Zakaiko ny mahazo sy izay mitranga ety
F’angamba izao no anjaran’ity fireneko ity

Rasamy

Laisser un commentaire