Raha voankazo no resahina dia be no azo ambara
Paradisa kely mihitsy raha i Madagasikara
Indrindra moa fa eto Iarivo sy ny ao Antsirabe
Tena mahasambatsambatra sy mampirehareha
Rehefa volana desambra, mitobaka ny letisy
Sady mora vidy izy eo no tsara kalitao ery
Mampiavaka ihany koa ny vaninandro krismasy
Fihinanana ireo paiso no tsaroan’ny malagasy
Paiso volony, fonomby, ary paiso menamena
Misy maro azonao isafidianana eny antsena
Ireo karazam-paoma koa tena tsara fa tsy afenina
Na « vary masaka » io, na grefy, na ilay paoma « golden »
Mifanindran-dalana aminy ny fiakaran’ny poara
Aleo dia tsorina rey olona fa hafa ihany i Gasikara
Rehefa main-tany indray ny fraise sy kaki
Eny Ambatofotsy aleha raha toa ianao ka hankafy
Ny akondro izany moa dia efa eo mandavan-taona
Taiparasy, mavokely, mahavoky ery raha noana
Toy izany koa ny papay ampian’irony mananasy
Eny antenantenany eny ny fahavokaran’ny pibasy
Mandritra ny fotoana mampitobaka ny manga
Ravoravo ny rehetra tsy anavahana saranga
Tsy adino koa ny rotra, indrindra moa fa ny goavy
Eny ambanivohitra eny, tangosan’ny mpianakavy
Misy ireo mitera-drano sady mampiragorango
Garana sy voaloboka, voasary sy voatango
Mbola misy hafa koa toa tsy ary ho voatanisa
Toy ny pastèque, ny voanio sy ny sisa sy ny sisa
Raha fehezina dia tsotra, ny aty tsy mihafihafy
Raha resaka voankazo, ry sakaizako any andafy
Rasamy