Io andrakandrana io no nahalasa adala
Tsy andro mahamay, tsy hatsiaka mamanala
Fa isan’andro izao, mitady, tsy hamelàny
Lasa miankin-doha hatrany anaty ràny
Rehefa mahazo kely dia tena tia midaroka
Rehefa tsisy indray, toy ny akoho voakapoka
Ny kibo mosarena, tsy ampy ny hohanina
Ny vatana malemy, ny loha fanimpanina
Maso menamena, hozatra miridiridy
Avy eo miteny irery, very saina sy tadidy
Ny taova koa marary, ny fo tsy mety tony
Simba ny ho avy, vokatr’ity rongony
Satria maditra loatra, tsy laitra mba nanarina
Ny tenin-dray sy reny, lazaina ho tsy marina
Ka dia nidiran-doza, nanao ny tsy fanao
Izao nenina no sisa, ka he akory atao ?
Rasamy
(Sary indrana)