Aza kivy ianao

Aza kivy ianao

Raha malahelo ianao, fa tsisy mba mangirana ny fiainanao anio
Toa maizin-kitroka ny ho avy, tsy hita mba hisava, io rahona io
Izay rehetra atao, toa zary tsy mahomby, fa tena mandamoka
Aza kivy ianao, fa ny ho tafita foana, no ataovy lokaloka

Raha niady mafy ianao, niari-tory koa, niandrandra mba ho afaka
Nandà ireo kilalao, sy antsoantso lavan’ireo namana sy tapaka
Kanefa dia indrisy, mitomany  tena irery, fa tsy afa-panadinana
Aza kivy ianao, f’amin’ny herintaona indray mbola afa-mifaninana

Raha mararirary ianao, nilaozan’olon-tiana, ka dia manganohano
Nahita ankanga tsara izy, nanary ilay akoho, tamàna tao an-trano
Izao ihany atao an-tsaina, raha iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy
Aza kivy ianao, fa ho avy ilay anjara, hiara-hanangana ny ho avy

Raha mahatsiaro ho kamboty, satria havan-tiana, no indro lasana
Any amin’ny vary tsy mifody, ambany rangolahy, any anaty fasana
Hatrakao ny loha, aoka izay ilay mitanondrika, farano ny tomany
Aza kivy ianao, tombon-dalana ny azy,  f’ianao koa mbola ho any

Rasamy

Laisser un commentaire