Avela hanakora izay te hanakora
Fa hoe tsisy hono Ilay Andriamanitra
Tsy mila porofo fa valiana mora
F’isika dia mino Ilay Ray any an-danitra
Avela haneso izay te haneso
F’isika mijoro amin’ny finoana hatrany
Ka ny fiderana tohizo, venteso
Mba hanakoako any rehetra any
Avela hanaraby izay te hanaraby
F’isika tsy menatra miantso ny Ray
Ka n’inona n’inona fiainana ho avy
Isika dia mino Azy mandrakizay
Avela hanambany izay te hanambany
F’isika dia mino amin’ny fo sy ny saina
Matoa mbola velona koa eto an-tany
Dia satria sitrak’Ilay Tompon’Aina
Avela hanakiana izay te hanakiana
Fa hoe ‘sika mpanota nefa mpanompo
Ka na tsy anjely fa misy haratsiana
Isika manompo an’i Jesosy Tompo
Rasamy