Tandremo tsara leitsy
fa ny mpametsifetsy
mpangalatra sy mpanambaka
dia tsy mba hiorim-paka
ao aminy tsy akory
ny harena izay voavory
fa mandalo ihany
ka any aoriana any dia mbola hitomany
Mbola ho latsa-nenina
satria izay nafenina
tsy maintsy mbola hipoitra
ary mainka koa hivoitra
ka hiseho hivandravandra
toy ny vay fa tsy mba tandra
miseho miharihary
mahamenatra marary
Tandremo koa leiroa
f’izay mpitondra teo aloha
niseho ho tsy azon’aloka
nahavita nanamaloka
ny fiainan’ny vahoaka
dia rifatra nitsoaka
Tsy nahatazona azy ny harena tsy hita lany
fa nandositra avy hatrany
Nihevitra azy ho fanamperana
ka ny hery nianteherana
tsy nahavita mba niaro
fa na olom-bitsy koa na maro
izay efa tofoka sy leo
no nanongana azy teo
dia nifarana hatreo
ny fahefan’izy ireo
Koa mahaiza maka lesona
aza mihevitra fa miesona
ireto vahoaka mijery
sy mbola maharim-pery
Ka dia hanohy hanjakazaka
satria mahazo laka
dia tsy mihevitra ny ho avy
fa manao ronono an-tavy
sy manararaotra fahefana
manohy ireo hadalana
Mangorona harena
Mambotry firenena
Rehefa tonga indray ilay patsa
tsy omby vava fa handatsa
izay ialahy vao tena ho resy
fa mba saino ihany leisy
Rasamy