Vehivavy « faosika »

Vehivavy « faosika »

Taitra tampoka aho nahita izato bika sy tarehy
Kanjo hay tsy natoraly fa dia zary mampihomehy
« Faosika » ny volomasony, lokomena be ny molony
« Faosika » ny hohon-tanany sy izato lokom-bolony

Dia lasalasa teo ny saiko, vehivavy tsy mahalala onony?
Asa angamba hatrany anatiny, « faosika » va re ny nonony?
Dia sanatria va re ka « faosika » ihany koa ‘ty fitombenany?
Satria angamba mety ho tsy ampy refy ny hatevenany?

Dia « faosika » ihany koa ny toetra, izay mody mba hasehony
Tsy lazaina intsony moa fa « faosika » ny fiteny sy ny feony
Manao « rrrr » tsisy farany, tena izay ve sa amboarina?
Sa afaka miteny tsara fa « snob » raha ny marina?

Ny akanjo sy kirarony, endrey fatratra sy tsara
Ny vavany mipentsopentsona, sady tsy afaka sigara
Ny molony mamoaka setroka, mila hanakatra ny lanitra
Aoka fotsiny etsy andaniny izato fofon-dranomanitra

Asa aloha ‘nareo zalahy, raha tia vehivavy toy izany
Raha izaho no misafidy, dia aleo tsotsotra ihany
Tsisy « faosika » mihitsy fa dia tena natoraly
Sady ireny ve leiretsy, tsy vehivavy mampijaly?

Rasamy

Laisser un commentaire