Tompo ô, indro aho latsa-bava mivavaka aminao
Mahatsiaro ho kely hery ka tsy hita izay atao
Fireneko efa mahantra, tsy mety ho tafarina
Injao voadona indray, mandady raha ny marina
Te hiantsoantso mafy aho, miangavy mitalaho
Ity Rivo-doza ity re, aok’izay raha azo atao
Manimba sy mamono, mandrava ny fananana
Ny asa tsy mandeha, mihidy ny fianarana
Ireo olona efa resy, tsy mahita ny hohanina
Na ankizy na lehibe, be reo saozanina
Ny kely am-pelantanany, tiany ampitomboina
No indro indray fa rava, nivadika ho traboina
Be loatra ny mangidy, asaina mba sotroiny
Izay mba sarobidy indray, lasana nafoiny
Sady very harena, mbola handevina any am-pasana
Ampio re izy Tompo f’aza atao mitondra faisana
Rasamy