Ilay andry fiankinana
mitady vola misahirana
mba hampitombo ny fananany
sy hahatafita ireto zanany.
Mpiteny sy mpananatra
ary miezaka mampianatra.
Tsy mba mikely soroka
fa miasa sy mifofotra.
Ka iny lasa isa-maraina
mazoto tsy malaina
satria mamelona ankohonana
tsy mody raha tsy mitatao vovonana.
Dia lasa indray avy eo ny atoandro
tsy tonga raha tsy hariva ny andro.
Raha sendra izay tsy fahampiana
anatin’ny fianakaviana
dia i Dada no miasa saina
nefa tsy afa-mitaraina.
Fa miketrika mikaon-doha
mikofoka etsy sy eroa.
Atao ahoana ireto ankizy
tsy mahalala izay krizy
tsy maintsy homana, mitafy
tsy foiny mba hihafihafy.
Indraindray manambitamby
mananihany, misangisangy
Indraindray tsy hahitana teny
fa milongilongy amin’i Neny.
Indraindray koa mba mitrerona
tsy anjely moa fa olombelona
mikapoka sy manafay.
Tena izay ilay Dada izay
Fa tiako foana i Dadanay
Rasamy