Mahavariana sy mahavalalanina
toa mahakivy ary koa mahafanina
f’ireo nantenaina mba hanavotr’aina
no toa lasa adala sy tsy misy saina.
Ny efa marary amin’ny hopitaly
manaintaina sy tena mijaly
no kitakitaina sy vazavazaina
tsy henoina akory raha mba mitaraina.
Izy efa marofy sy mangirifiry
tsy manan-tsafidy fa indro mikiry
mandany vola hitsaboana tena
kanefa hitsahina sy hosihosena.
Na mitaraina tsy hifandrenesana
mananontanina fahafatesana
toa tsy jerena sy hodiana fanina
sa tapitra teo ‘lay « marary andrianina »?
Ilay fianihanana efa natao
« manaiky hitsabo aho manomboka izao »,
hay endrika ivelany fa ny aty poakaty
tsisy lanjany akory ilay « Hippocrate ».
Toa tsy vitanareo ilay mitsabo marary
satria dia hita sy miharihary
fa ny marary indray no migoka ny ngidiny
Sa ve ‘nareo ilay mpitsabo tsy fidiny?
Rasamy
Sary fanaingoana : Nalaina tao amin’ny pejy Midi Madagasikara
Mitsabo amin-gidiny!
tena tsy lainga ny tenin-dRasamy,
satria raha fijery tsy mila mandalina
dia marina tsy hiodivirana izany!
kanefa jereo ihany ireto sahanina:
tanam-polo malia no lanjain’ny marary
satria tsy mba misy izay ho rambasana,
efa lazon’aretina fatra-pijaly
moa tsy efa kely dia ho lasan’ny fasana?,
nefa tsy kivy fa indro manantona
‘ty mpitsabo kely tsy manan-katolotra
ka ny ezaka ataony tsy mba voatonona
fa teny zary ompa miampy tondromolotra.
nianiana hitsabo aho ary hiasa ho doria
kanefa fantaro izay tena marina:
tsy mba mitantana farmasia
fa tena mitsabo no asa nianarana
hanala hirifiry no mba tarigetra
fa ny fanafody haitsika rehetra
fa mbola vinidy, ary tena lafo
sa ireo marary vitan-tsafosafo?
Ekena fa misy ireo mikitakita,
isika rehetra dia miara-mahita
iny indray kosa lazaiko tsy ekena
iny ‘lay « fanetribem-pirenena »
fa ny hoe « mitsabo maimaimpoana ny ory »
fiainianana hiainako tsy hifandirana
fa tsy hoe hiantoka marary akory
fa na dia ny tena aza mbola sahirana!
ka aoka Rasamy, ho fantatrao tsara:
fa ny Hôpitaly no saro-tantanina
toy ireo zava-maro ara-panjakana
fa ‘zahay mpitsabo dia tena matihanina
mba toa anao ihany aho raha raràna
na koa mba miatrika ny fitsaràna
ka aza enjehina be fahatany
fa samy mitrongy vao homana ihany!
ny anao torimaso amin’alimangina
fa ny anay mazàna iny dia fiafiana
tsy maintsy miasa na dia tsy salama
kanefa ny asa alina: « TSY ANDRAISAN-KARAMA »
Mpitsabo aho, ekeko mpiasam-bahoaka
ary tena vonona tsy mba hitsoaka
fa betsaka koa ireo farahidiny
dia raha indray mijery: mitsabo tsy fidiny!
Nahoana raha toa mba miara- miezaka
fa tsy laniandro mifampitsikera,
hiara-hiasa fa tsy hitofezaka
hiara hifanohana mba tsy hianjera
ka ireo mpitsabo tsy hitsabo amin-gidiny
ary ireo marary tsy vaotsabo tsy fidiny
fa samy miaraka migoka mamy
‘ty fiaina-mandalo ambonin’ny tany!
Toubib
J’aimeJ’aime
Mankasitraka indrindra @ fitsidihanao ny pejy . Misaotra indrindra ihany koa @ ity valin-kafatra ity. Misy isainana tokoa.
Ny azoko lazaina fotsiny dia ny hoe toy ny @ sehatra rehetra dia misy foana ny manao ny asany tsara ary misy kosa ny manao zavatra ratsy. Ity redirediko iray ity dia vokatry ny zavatra hitan’ny maso sy niainana. Betsaka no nankasitraka azy ity, fa misy koa ny tsy faly mazava hoazy. Ny aingam-panahy anefa tsy azo sakanana tsy hivoaka.
Rehefa tonga indray ny aingam-panahy miresaka ireo mpitsabo maro tena manao ny asany araka ny tokony izy ary mendrika hoderaina @ izany, dia hivoaka toy izao ihany koa.
Dia ataovy toy ny voankazo an’ala tompoko, ka ny mamy atelomy ny mangidy aloavy.
J’aimeJ’aime