Na ny asa fivelomanao
s’izay fianarana atao,
tsy hahitanao fahombiazana
raha tsy ataonao am-pitiavana
Ny fiainana ao an-tokantrano
dia feno maso hanganohano,
toy ny zioga fanagiazana
raha tsy misy ny fitiavana
Ny manodidina ihany koa
hahitanao tsininy avokoa,
mipololotra ny fandavana
raha tsy ampy ilay fitiavana
Izay rehetra hita maso
hoheverinao fa ankaso,
ny fonao toy ny tany ngazana
raha tsy manana fitiavana
Ny finoana sy fanantenana
tena efa fahatsaràna
fa hoy ny Tompontsika ry havana:
« lehibe indrindra ny fitiavana »
Rasamy