Ambony sy ambany

Ambony sy ambany

Neny ô,
ry zareo atsy atsimotsika
dia tsy mety mibaliaka
mihitsy ny masoandrony
fa dia maizin-dava ny androny.
Zara raha mba misakafo
sanatria izay safosafo.
Toa mirenireny
mangataka eny an-dalana eny.
Na ny kely na lehibe
dia tsy misy mba mifehy
fa dia miaina anaty loto
ary lasa jiolahimboto

Nefa indray ry Neny,
atsy avaratsika atsy
misy zaza ampy vatsy
dongadonga tsara ery
sady voky ilay fitia.
Raha tsorina tsy miambatra
dia tena zaza sambatsambatra
ka izay sakafo haniny
misy ambiny tsy laniny.
Toa tsy misy mahaory
rehefa voky dia matory
na ny kely na lehibe
miaina anaty harena be

Indrisy anaka,
izany no fiainana eto
mahavariana mampisento
misy ambony tena ambony
tsy mahalala ny hafa intsony
misy kosa ireo ambany
mifotetaka amin’ny tany.
Samy manana ny ataony
f’isika kosa eo afovoany
mampitraka reo izay lavo
tsy misolelaka amin’ny avo
faly miaina ampahatsorana
tsisy zavatra atahorana

Rasamy

Laisser un commentaire