Mahagaga anaka,
fa iny olona iny
dia lazainy ho tsisy tsiny
fa tsara tsotra izao
rehefa lasana nandao.
Hono feno fahendrena
sy nahay nanetry tena,
nahiratra aok’izany
tamin’ny sehatra niasany.
Lafatra ary koa nahay,
tena niavaka izy izay.
Nefa fony fahavelony
toa tsy nisy akory henony
izay zava-nolazainy
sy ny mafy tao an-tsainy.
Nataony hoe nandavan-taona
dia niteniteny foana.
Tsy nasiany sira akory
raha nitsangana nitory
izany fihavanana
sy fifandraisan-tanana,
fa nataony ho toy ny adala.
Maty indray vao Ramalala
Izany foana ny olombelona
rehefa samy mbola velona
dia mihatsara ivelatsihy
tsy tena mifankatia.
Fa rehefa misy nodimandry
dia mitsangana ho mpamangy
mampitraka ireo izay ory
eny miara-miaritory.
Ka hodiana tsy jerena
izay mety ho fahalemena.
Mampangina ny ao anaty
fa tsy miady amam-paty.
Rasamy