Iny zanako iny ry Tompoko malala
Izay rehatra ataony, Ianao no mahalala
Mba ampahafantaro azy re ny ratsy sy ny tsara
Ka tsy haharendrika azy anaty zavatra voarara
Mba tahio izy iny Tompo, n’aiza lalana hombàny
Mahery loatra mantsy ny hetraketraky ny tany
Ka ndrao dia ho solafaka hanenina hitomany
Arovy re ny zanako mba tsy hitrangan’izany
Raha tonga moa ny andro hitsirian’ny fitiavany
Omeo azy izay sahaza sy mendrika ho malalany
Hahitany fahasambarana amin’ny fiainana hodiaviny
Hananany taranaka hokoloiny sy ho tiaviny.
Izany re ry Tompo no mba vetsovetsom-poko
Hangatahiko aminao, eny hitalahoako
Manko iny zanako iny, ilay tokako tsy foiko
Ny fitahianao azy, mampitombo ny finoako.
Rasamy