Nahoana loatra?

Nahoana loatra?

Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra
Ity fiainana eto ity no mila hampitroatra
Ny zaza sy zatovo mbola anaty hatanorana
Lasa nodimandry, tsy nisy fierana

Nandao ny tokantrano nihevitra hifaly
Kinanjo tampoka eo, maty sy mijaly
Indreo nidiran-doza, lavo tsy tafarina
Andriamanitra ô, ambarao ny marina

Tsy misy afa-miala fa lasana daholo
Na zaza vao minono, na tanora fotsy volo
Andriamanitra ô, marary nefa atao ahoana
Izao no sitrakao, ka dia ekenay foana

Rasamy

(Aingam-panahy vokatry ny lozam-piamoivozana namoizana tanora sy ankizy marobe nisesisesy tamin’ny lalam-pirenena)

Laisser un commentaire