Tsy maintsy hamiratra

Tsy maintsy hamiratra

Raha toa ka mavesatra
sy mitambesatra
ireo adin-tsaina
Toa haningotr’aina
Dia izao no tsarovy ary koa tadidio
Tsy maintsy hisava io rahon’io
Aza manaiky ho resy tsy miady
na mivarilavo hivarina an-kady
fa mitrakà!
Satria vehivavy, satria lehilahy
nomena hery sy tanjam-panahy
Amboary ny saina
Mazotoa tsy malaina
Mbola hody ventiny izay natsakaina
Tsy maintsy hamiratra indray ny maraina

Raha toa ka miverina
sy mitamberina
ireo zavatra lasa
s’izay nokinasa
kanefa tsy vita, miteraka nenina
Dia izao tenenina
Ny zavatra ratsy dia azo harenina
K’izay efa vita dia ho voafafa
Ny ho avy indray kosa zavatra hafa
Ho tsara kokoa!
Izay no ataovy masaka an-doha
Satria nisy lesona azo nalaina
ka manomboka izao dia hatsaraina
na fomba fisaina na fomba fiaina
Tsy maintsy hamiratra indray ny maraina

Rasamy

Laisser un commentaire