Aza hitako any izany

Aza hitako any izany

Lafo vidy izao ny vary
ka mila ho mosary
ny ankamaroan’ny vahoaka
satria ny iray kapoaka
dia efa ho arivo ariary.
Halatra miharihary
ataon’ireo izay tsy manjary,
sa vokatry ny fitavozavozàna
ataon’ireto fanjakana?
Sambany hono izany raha zohina ny tantara
teto Madagasikara

Mampanontany tena ny zavatra miseho
satria vao vetivety teo
dia niakatra ihany koa
tsy mba indray tsy indroa
f’efa sesilany
ny vidin-tsolitany.
Midangana avokoa ny vidin’entana eny antsena
Manko izay jerena
indrindra moa ny hena
dia tena mampihenahena
fa loza ireto vidiny.

Ary dia tsy manam-pidiny
ireo renim-pianakaviana
fa ny zaza no ampihafiana
tsy hitakitaky intsony
izay mba irin’ny fony.
Fa izay ampelantanana
ka mahavidy anana
ampiana patsa maina
sy kitay kely hataina
dia atao ampy androany.
Tsisy mahazo mitomany.
Ary raha sendra ka midongy tsy mihinana ny ankizy
dia voatrerona izay tsy izy.

Tena lasa ny fisainana
tsy laitra izato vidim-piainana
Nefa iza moa no itarainana?
Romotra ny olona
saingy aleony aloha milamina f’efa reraka mitolona
Kanefa mandrapahoviana
ny vahoaka no hangina?
Raha izao no mitohy, asa indray izay ho fiafarany
Sanatria va re hipoaka indray ny sarom-bilany?
Aza hitako any izany …
ka hisy indray hanaiky ho sorona handatsaka ny ràny

Rasamy

Laisser un commentaire