Ny tanànan’ny Joffreville dia miorina ambony havoana iray izay sahabo ho 32 km miala ny tanànan’Antsiranana no misy azy. Raha ho any ianao dia manaraka ny lalam-pirenena faha 6 aloha tokony ho 13 km eo raha miainga eo Antsiranana, avy eo dia mivily miankavanana.
Manana ny mampiavaka azy tokoa ity tanàna ity raha ny ara-tantara no resahina. Tsy mba malagasy no namorona azy fa vazaha frantsay iray mitondra ny anarana hoe Joseph Joffre. Tamin’ny taona 1900 tany ho any raha ny voalaza no namoronan’ity Kolonely avy ao amin’ny tafika frantsay ity ny tanànan’ny Joffreville. Nivoatra tsikelikely ilay tanàn’ny Joffreville ary lasa tanàna lehibe taty aoriana (Sary Joffreville tamin’ny taona 1945 : fortifications-de-diego-suarez.info).

Ny Kolonely Joseph Joffre moa dia nalefan’i Jeneraly Gallieni tao Antsiranana tamin’izany andro izany mba hitarika ny fiarovana ny seranan-tsambo lehibe tao. Andian-tafika frantsay maro arak’izany no niaraka taminy. Izy ihany koa moa no nanomboka ny asa fanajariana lehibe voalohany tao amin’ny tanànan’Antsiranana izay renivohitry Diana.
Fanaovan’ireo miaramila vazaha mpanjanaka toeram-pialan-tsasatra i Joffreville rehefa leo ny hafanàna be tao Antsiranana izy ireo. Mangatsiatsiaka mahafinaritra mantsy ity toerana ity noho izy tsy lavitra fa akaiky dia akaiky ny alan’ny Montagne d’Ambre izay lasa valanjavaboary (Parc National) moa nanomboka tamin’ny taona 1958. (Sary Joffreville 2017).

Marihina fa tsy maintsy mandalo ao Joffreville rehefa hitsidika an’ity valanjavaboary ity. Telo kilometatra monja avy eo an-tanàna mantsy no fidirana ao. Ankoatra ny maha ala mando izay mbola feno karazan-kazo vaventy azy, dia feno karazam-biby isan-karazany koa miaina ao. Ny ankamaroan’ireo zavamananaina ireo dia tsy fahita raha tsy eto amintsika.

Marihina ihany koa fa tsy vitan’ny hoe toeram-pitsangatsanganana mahafinaritra ny alan’ny Montagne d’Ambre fa ao koa no misy toerana masina izay mbola hajain’ny mponina ao Joffreville sy ny mpitsidika rehetra fatratra. Ireo olona misy tromba matetika no tonga eto amin’ity toerana ity miresaka amin’ireo Razambe. « Chute sacrée » na rian-drano masina rahateo moa no anaran’izany toerana izany. Misy vato mifono lamba fotsy eo akaiky eo, fanateran’ny olona vola na zavatra hafa atao fanatitra arak’izao hitanao amin’ny sary izao.

Tao amin’ity tanàn’ny Joffreville ity ihany koa no nametrahana ny toerana fanaovan’ny miaramila frantsay fanazaran-tena tamin’izany fotoana izany, ary mbola nisy miaramila frantsay tao hatramin’ny taona 1973.
Azo lazaina ho feno fisainana lalina tokoa ny kolonely Joseph Joffre raha nisafidy ny hametraka ny miaramila teto satria dia hahita-mitsinjo lavitra tokoa avy eo ka hahafahana mijery avy hatrany izay mety ho fahavalo mitady hanafika ny tanànan’Antsiranana iray manontolo. Tazana avy hatrany avy eo ohatra ireo sambo tonga ao Antsiranana, indrindra moa raha sambon’ny fahavalo.

Mampiavaka an’i Joffreville ny fisian’ireo fasana marobe (cimétière) izay nandevenana ireo miaramila frantsay maty tao an-toerana tamin’izany fotoana izany. Betsaka ireo trano sy foto-drafitr’asa naorin’ny vazaha teto amin’ity tanàna ity. Trano mafy orina avokoa ireo tamin’izany. Rehefa lasa anefa ireto miaramila frantsay ireto tamin’ny taona 1973, dia tsy nisy fikarakarana intsony ireo trano ireo.
Betsaka amin’izy ireo no efa rindrina sisa mijoro ankehitriny, feno kirihitr’ala mihitsy aza. Malaza aza moa hoe misy matotoa na angatra amin’ireo trano sasany navelan’ny mpanjana-tany ireo ka natahoran’ny olona fatratra.

Efa niova tanteraka ny endriky ny tanàna ankehitriny, satria samy namorona trano arak’izay tiany ny mponina. Misy trano fatoriam-bahiny vitsivitsy ao Joffreville ho an’ireo izay te hijanona ao rehefa avy mitsidika ny ala.
Ankoatr’izay dia tsy mitsahatra miharatsy ny lalana mampitohy ny lalam-pirenena RN6 sy ny tanànan’ny Joffreville izay sahabo ho 20 km eo ho eo nohon’ny tsy fisian’ny fanamboarana sy fikojakojana. Kanefa dia lalana vita tara tsara dia tsara tokoa izany tamin’ny fotoan’androny araka ny voalaza ery ambony.

Farany, anisan’ny mampalaza an’ny Joffreville ankehitriny ny fambolena « katy », ilay zava-maniry izay voalaza fa mampatanjaka ka betsaka dia betsaka ireo olona mihinana azy any amin’ity faritra ity. Manodidina tsy lavitra ny valanjavaboary dia betsaka ny fambolena katy.
Sobika marobe feno katy arak’izany no miainga avy eo amin’ny fitobian’ny fiara mpitatitra ao Joffreville isan’andro. Ireo fiara mpitatitra ireo moa dia mandeha any amin’ny faritra isan-karazany, indrindra fa mankany amin’ny tanànan’Antsiranana.
