Soa fa nisy vehivavy

Soa fa nisy vehivavy

He tsapa ery mazàna
fa misy fahabangana
ny ao an-tokantrano ao
raha toa ny vehivavy ka sendra mba mandao.
Na andro vitsy monja tsy maharitra akory
dia io ralehilahy fa tsy mahita tory.
Indrindra sanatria hoe lasa nodimandry
ilay vady andefimandry
dia maro ireo lehilahy no osa vetivety
toa antitra malaky fa tsy mba metimety.

Mba alaivo sary an-tsaina anie ny zavatra hiseho
raha toa tsy eo daholo ireo viavintsika ireo.
Tsisy neny, tsisy vady dia tsy eo koa ranabavy
fa lehilahy daholo sisa isika mianakavy.
Asa angamba izay hitranga
fa dia tena hahatsiaro ho banga.
Manko tsorina sy ambara
fa ny vehivavy aloha no tena mahakarakara
mahakolokolo no sady mahavita
ary akaiky indrindra ny fon’ireto zanantsika.

Aoka ary leiretsy mba hotiavina sy hajaina
ireto vehivavy izay loharanon’aina.
Ka na any anaty trano, na eny an-dalam-be
na madimozely na efa nenibe
dia mendrim-panajana rehefa andriambavilanitra.
Moa tsara rahateo fa « zavaboarin’Andriamanitra ».
Raha atao ny fandinihina dia aoka koa ekena
fa raha vehivavy hendry sy mahay no hitondra firenena
dia angamba mba hiova ary inoana fa hihatsara
ny farim-piainantsika eto Madagasikara.

Rasamy

Sary fanaingoana: sary hosodoko teo amin’ny tambohon’ny Kijana Tany Mena

Laisser un commentaire