Ny vola

Ny vola

Ny vola hono maharangahy
nefa koa fakam-panahy.
Sady fototry ny haratsiana
no loharanom-pifaliana.
Ny vola hono tsy hangidy
fa ianao no misafidy.
Na ianao ho andevony
ka ho potika sy levony.
Na ianao no hotompoiny
tsy ho andevoziny intsony.

Mba amboary re ny saina
dia mba mahaiza koa miaina.
Fa tsy vola vola foana
no ao an-doha mandavan-taona.
Miasa ery mamono tena
mba hanangona harena.
Ka efa antitra sy sola
vao mitobaka ilay vola.
Tsy afaka ho aiza akory
Marary lava dia matory.

Tonga avy eo rafahafatesana
Aiza ilay vola nimatesana ?
Moa nanaraka any am-pasana
sa nanjavona sy lasana ?
Sanatria mampalahelo
raha nitondra any amin’ny « elo ».
Ny taranaka aza miady
samy mifanenjan-tady
noho ilay vola izay navelany
mampiady ireo naterany.

Rasamy

Sary fanaingoana: nindramina tao anaty fesiboky

Laisser un commentaire