Lehibe ianao anaka

Lehibe ianao anaka

Anaka, izao andro anio izao
no hanokanana anao
hiray latabatra amin’i Tompo.
Ka mivoady fa hanompo
anio sy ho mandrakizay
ilay zanaky ny Ray.
Izay nanolotra ny tenany sy nandatsaka ny ràny
Anton’ny mofo sy divay izay raisinao androany

Anaka, efa lehibe tokoa ianao
matoa raisina toy izao.
Koa amin’izay atao rehetra
tandrovy ilay fanahy sy toetra.
Hahay hijoro sy hahasahy
handresy ireo fakam-panahy.
Ka amin’ny androm-pifaliana
na koa androm-pahoriana
dia ho andriambavilanitra
mahay misaotra an’Andriamanitra.

Anaka, ny faniriako dia izao
Ho tahiana anie ianao
Ho tafita amin’ny fianarana
Hambinina amin’ny nisasarana
Tsy solafaka fa hahay hamindra
Ho tonga amin’ny ambony indrindra
Sady hitombo fahendrena
sy hahay hanetry tena.
Ary hahatsiaro ombieny ombieny
ny anatranatray sy Neny.

Rasamy

Laisser un commentaire