Resy ny mangina

Resy ny mangina

Maro ny olona mangina fa malaina ny hiteny
Miharitra tsy fidiny izay zavatra miseho
Koa tsy mahagaga raha ny mpandainga lavareny
No tokana manjaka satria mampianka-peo

Maro ny olo-marina fa mitavozavoza
Sadaikatra hamoaka izay mba ao an-tsainy
Mibitaka noho izany iretsy olon-doza
Na dia fafy lainga aza no zavatra lazainy

Maro no mikatsaka ny mahasoa iombonana
Kanefa diso mampandefitra izay mba hambom-pony
Hany ka ireo tia tena sady rakotra fialonana
No manao izay tiany atao, ho an’ny tombotsoany

Tsy resy hoy ny Ntaolo ny olona mangina
Ny olona mangina ihany koa dia volamena
Kanefa raha tsy hiteny na oviana na oviana
Dia hanararaotra foana ireo mpambotry firenena

Rasamy

Laisser un commentaire