Samy diso

Samy diso

Manorisory sy manirikiry
Ireto milaza ho mpanao politika
Misisika mafy ary minia mikiry
Kanefa tsy hita izay zavatra vita

Samy miseho ho tia tanindrazana
Samy milaza ho tia firenena
Kanefa dia hita ary tsinjo sy tazana
Ilay fitiavan-tseza sy fitiavan-tena

Ny andaniny milaza ho tena mahay
Mihambo ho mbola tsy nisy toa azy
Kanefa mangalatra mampikolay
Ka mendrika faizina sy omena sazy

Ny ankilany mihambo ho mamim-bahoaka
Ikoizana mihitsy amin’ny kobaka am-bava
Dradrainy isan’andro ny hoe ampamoaka
Kanefa mpanongana mpandravarava

F’ireto mpanaraka koa no tsy laitra
Manohana mafy amin’ny fo sy ny sainy
Tao ny naratra mitondra takaitra
Misy nanaraka hatramin’ny ainy

Rasamy

Sary fampihaingoana nalaina tao amin’ny Fesiboky

Laisser un commentaire