Mitaky fiovàna

Mitaky fiovàna

Nahoana re nahoana
no toa mitovy foana
ny fizotry ny tantara
eto Madagasikara.
Satria, …. vao manomboka mitràka
sy mihamahazo faka
izato fiainam-pirenena,
dia indro indray krizy manimba toe-karena.
Misy ireo milahatra mankeny an-dalambe
Miziriziry mafy tsy mety mba voafehy
Mitokona isan’andro, mitaky fiovàna
Miandrandra fanavaozana, mitady fihatsaràna.

Dia roboka ny maro. Mikiaka ny iray tanàna
« Mialà fa tsy mahay nareo mpitondra fanjakana »
« Mialà nareo mpangalatra, mpambotry firenena »
Mahomby indray ny tolona, mibata fandresena.
Kinanjo avy eo indrisy fa maro no manenina
satria ireo tsy nety rehetra notenenina,
nambara f’efa ratsy nataon’ny teo aloha
dia indro fa tsikaritra miverina avokoa.
Vao mainka aza loza ny zavatra mitranga
fa lasa nihamatroka ity lanitra efa ho manga
Dia tsy afa-po indray fa romotra ny olona
Lasa indray milahatra miverina mitolona

Rasamy

Laisser un commentaire