Izany Dada izany

Izany Dada izany

Izany Dada izany dia tsoriko amin’ise
Tsy manao fisainan-jaza f’efa olon-dehibe
Mahalala ny ataony sady feno fahamatorana
Mahaleo-tena fa tsy miandry hotolorana
Mahay mandanjalanja ny zavatra ataony
Mamaha hatrany ny olana miseho eo anoloany
Koa n’inona mitranga, n’inona n’inona manjo
Ny ankohonany aminy no sarobidy aloha

Izany Dada izany dia lazaiko an’ise
Na vitsy koa ny zanany na efa marobe
Sanatria ny handositra na hiala amin’ny toerany
Ka hamela ho kamboty ireo rehetra izay naterany
Tsy mivarilavo izy, ary tsy miamboho adidy
Tia mifampizara ny mamy sy mangidy
Koa na androm-piravoana na koa androm-pahoriana
Mijoro mampiseho ny maha raim-pianakaviana

Izany Dada izany koa dia ambarako an’ise
Masiaka be ronono sady tsy mirehareha
Miavaka amin’ny toetrany sy ny fahamatoran-tsainy
Ka zary fakàn-tahaka ho an’ny sombinainy
Mandeha mitady vola amin’ny fony sy herin-tsandriny
Mahay maneho fitiavana amin’ny vady andefimandriny
Mahalala tsara ny mety sy sahaza
Koa tiavo foana Dada na tsy tonga lafatra aza

Rasamy

Laisser un commentaire