Na tapitra handao
sy hanadino anao
aza izao tontolo izao
ô ry Madagasikarako.
Dia izao ihany no ambarako
Ianao no efa anjarako
Sady tany niandohako
no mbola toeran-kiafarako
ka sanatria raha hoe hialako.
Koa aoka ianao tsy hanahy
fa ny fo sy saiko amam-panahy
s’izay rehetra momba ahy
dia hanompo anao eto foana.
Ka na ahoana na ahoana
ny fandroson’ny fotoana.
Na mahantra ianao fa tsy mba manana
Izaho tsy hitsoaka an-daharana
fa hiasa tsy hanam-pitsaharana.
Rasamy