Na mafy sy mafaitra
ka mila tsy ho laitra
ny hetraketraky ny tany
dia fombany ihany izany
ka aza mitanondrika na koa hoe mitomany,
fa n’inona mianjady dia misy koa ny fetra,
koa manàna faharetana amin’ny zavatra rehetra.
Tsy misy ny nateraka
hijaly sy ho reraka
ary higoka ny mangidy mandrapahafatiny
fa ny hery ao anatiny
no matetika malemy
ka na ny fihetsika asehony na amin’ny fiteny
dia zary mampiseho irony fahalemena
manimba indray ny sainy sady manambany tena
Koa izao no tsarovy, ary ity no tadidio
raha mbola tsy mahafaty ny olanao anio
dia manàna ianao finoana
ary koa aza adinoina
f’izay matanjan-tsaina
sy tsy miferinaina
ary vonona hisedra ny mafy mifanesy
no tena azo antoka hivoaka ho mpandresy
Rasamy