Mora manadino

Mora manadino

F’angaha tsy vao omaly
ny vahoaka no nijaly?
Nanehoany ny heriny sy ny hadalany
Nataony sorona aza ka latsaka ny rany
Nanaovany amboletra
ka nalainy an-terisetra
ho lasa teny an-tanany
toy ny hoe fananany
mantsy ilay Fitondrana.
Tsy nisy fifidianana na koa hoe teny ierana
fa olona fangoloka mpanongam-panjakana.

Kinanjo nony azony tokoa ilay fahefana
Adinony tanteraka ilay tany tan-dalàna
Niampy fanondranana indray ny fandrobana
Koa rehefa mety ho harena ka azony namidy
dia tsy nananany hantra hatramin’ny hazo sarobidy.
Ara-bakiteny ilay fanjakana baranahiny
Nampiharihary ny tena toem-panahiny

Indro indray miverina manao ronono an-tavy
Hono izy no mpamonjy, hanangana ny hoavy
Talentany mihitsy ilay mampandry adrisa
Mahay mandangolango vahoaka analinkisa
Dia mahalasa saina ary tena tsy mampino
fa misy koa vahoaka mora manadino.

Rasamy

Sary fanaingoana nalaina tao amin’ny fesiboky

Laisser un commentaire