Hirotsaka filoha hono izy satria efa minisitra
Misy koa hilatsaka satria hono artista
Na ry pasitera aza efa ao anaty lisitra
Mainka moa f’ireo efa nanao praiminisitra
Hilatsaka ihany koa ny lehilahy avy any andafy
Dia misy lahiantitra efa manan-jafiafy
Dia misy koa vehivavy iray nitaingina sarety
Ary ilay mpitsara vao nalaza vetivety
Filoha amperinasa na ireo efa teo no niala
Samy mbola hiverina hono f’izy angaha adala
Ao no misy vola, azo antoka ny hoavy
Dia roboka ihany koa ilay mpiompy ramanavy
Te ho filoha daholo na adalabe na hendry
Raha toa moa ka tsy lany dia mihevitra ho voatendry
Hamerina amin’ny halatra ny vola nolaniany?
Ho avo zato heny aza raha ny faniriany
Dia zendana ny maro, misafosafo loha
Fa kilalaon-jaza angaha ilay resaka Filoha?
Mitobaka ny vola ka mampanontany tena
Moa mahantra marina va re ny firenena?
Rasamy