Tsaroako ery fahiny
f’ianao ilay virijiny
tsy nahalala akory
izany hoe hiaraka hatory
fa sarosaro-kenatra sy maotina aok’izany
Moa va tsy toy ny anjely latsaka an-tany?
Dia saikatra ny maro
izay te mba hifangaro
niezaka nambabo tamin’ny fony manontolo
saingy dia indrisy fa nolavinao daholo
Nitombo koa ny taona
f’ianao tsy niova foana.
Mainka aza matotra sy hentitra kokoa
Nihatsaratsara endrika sy bika ihany koa
Dia izaho koa mba naniry
niezaka nanantona, nitady sy nikiry
hambabo ny fonao.
Saingy hoy ny valinteny hoe tsia tsotra izao
Nangasihasy kely, nampionona ny fo
Soa anefa fa tsy raikitra ny amintsika roa
Kinanjo aty aoriana
tsy mino aho sady gina
zendana naheno tamin’ny herin’ny alahady
fa hay hono ianao efa indroa nisara-bady.
Ianao ilay fahiny noheverina ho modely
hono lasa hafa fihetsika tsy hita velively.
Mpanitsakitsa-bady sy mpisolo lehilahy
mbola manam-bika fa hafa toe-panahy.
Dia hoy aho lasa saina, ianao ve dia notiaviko?
Soa ihany fa tsy ianao fa Rasoa no lasa vadiko
Rasamy