Soava dia

Soava dia

Mbola zazakely tsy ampy herintaona akory
fa mpitomany lava tsy nahitana tory
ianao ry sombinaiko.
Ka nararirary ny aiko
nandao anao sy neny.
Ianao arak’izany mbola zaza tsy niteny
Satria dia lasa i dada nanohy ny fianarany
Namela ho tsisy ray ilay Andoniaina zanany
Latsa-dranomaso sy nalahelo am-po
Kanefa dia nitraka satria ny tao an-doha
dia tsotra fotsiny ihany.
Hoe any aoriana any
dia hiova ho fifaliana izany ranomaso izany.
Hoy ny tao an-tsaiko hoe: ny valin’ny fandehanako?
Tsy mba hanenenako fa hahatsara ny hoavin-janako.

Taona maro aty aoriana
dia indro mahavariana
fa mivadika ny rasa
k’ianao indray izao no lasa.
Handeha an-tany lavitra handrato fianarana
Izay tokoa ilay fiainana manao toy ny kodiarana
Satria koa mantsy ianao mba te hikatsaka ny tsara
Tsy azoko terena hijanona eto Madagasikara
Koa soava dia re anaka, indro aho mitsodrano
Aza atao mahataitra ny masoko manganohano
na ny endriko manjombona somary reradreraka.
Manko tsy maintsy malahelo ny fon-dray niteraka
Koa dia mahaleova anaka, ary koa dia mahalasàna
ka na hisy sakantsakana aza eny an-dalana hombàna
aoka ianao tsy ho kivy na handrarak’ilo mby an-doha.
Dia enga anie ka homba anao, Ilay Andriamanitra Tsitoha

Rasamy

Laisser un commentaire