« Biometrika »

« Biometrika »

Hoy ny fanjakana hoe : antsoina avokoa isika
Mba hanova « permis » ho lasa « biometrika »
Isika tsy ambakan-drizareo avy any ampita
Ary izany dia marihana ho toy ny zava-bita

Dia iny fa nilahatra nandeha namikavika
Nisy niari-tory, niandry karatra « majika »
Faly ery avy eo nalaina sary indray mipika
Kinanjo hay va re ‘ty izy ka tena fikafika

Ny taratasy fotsiny no tsara bikabika
Fa nosinava indray mandeha tany Amerika
Dia indro zava-doza, tsisy zavatra mba hita
Hay « Vorontsiloza » ny an’ialahy r’ilay Balita

Indrisy mafy mihitsy re ity mahazo antsika
Ny fiainana efa sarotra mila « hampivika »
Mbola miampy fanjakana tena « manalika »
Nampanan-karena tampoka mpanao politika

Rasamy

Laisser un commentaire