Mba vola avy aiza loatra
Fa tena tafahoatra
No ampiasain’ireto mpilatsaka hofidiana
Moa va tsy toy ny rano misosa mikoriana
Toa tsy mba mety ritra, ka tena mahavariana.
Kanefa he jereo anie izato firenena
Mahantra farahidiny, mampanongo tena
Ka vola be avy aiza
‘ty mirarakopana ity re ry sakaiza?
Vola avy amin’ny rariny, azo tamin’ny marina
sa volabe maloto avy nangalarina?
Vokatr’ezaka, nizakàna ny mangidy
sa famotsiam-bola avy amin’ny hazo sarobidy?
Vidin-katsembohana nifofotra sy nihafy
sa vola tambitambin’ny vahiny avy any andafy?
Mivadika mihitsy ilay teny hoe fifidianana
Ny vola no manjaka ka lasa fividianana
Ny vola no hany tokana mba arangaranga
Ka mainka miharihary ny tsy fitovian-tsaranga
Ry zareo etsy andaniny
tsy toko tsy forohana ny volabe izay laniny.
Ny vahoaka etsy ankilany
toa fadiranovana, tsy hita izay mba rirany.
Ry zareo mandany vola mba hahazoana fanjakana
Ny vahoaka bokan-trosa ao anaty fahantrana
Ahoana no inoana fa raha ireo tokoa no lany
dia tsy hamerina any am-paosy izany volabe izany?
Moa ho tanterahiny izay nampanantenainy
fa tsy halatra isan’andro no hibahana ao an-tsainy?
Koa mahaiza ianao mandinika, tandremo ny safidy
Ny vato alatsakao no aoka tsy ho voavidy
Rasamy
Sary fanaingoana : nalaina tao amin’ny fesiboky