Hifidy ianao kanefa, …
Ny safidinao, aoka tsy hiantefa
amin’ny efa voaporofo fa ratsy sy maloto,
nanimba firenena tamin’ny loham-boto.
Ny olona toy izany dia mendrika hosaziana
Sazy mendrika azy, ilay izy tsy fidiana
Koa mahaiza ianao mifidy
Isika ihany mantsy no hizaka ny mangidy
Hifidy ianao kanefa, …
Ny safidinao, aoka tsy hiantefa
amin’ireo mpitondra teo aloha,
tsy nisaina loatra fa nanao kitoatoa
Misy aza moa dia niongana avy hatrany
noho ny tsy fahaizany nifehy ny fanjakany.
Manko sanatria ka ireo indray no lany
Moa hisy fitoniana va izato fitondrany?
Hifidy ianao kanefa,
ny safidinao, aoka tsy hiantefa
amin’ireo mpampandry adrisa,
mahay mandrebireby vahoaka alinkisa.
Nefa dia poakaty ny hevitra atolony
Lainga lavareny no mivoaka eo imolony
Mahay mikabary sy mampanantena
Kanefa dia miomana hambotry firenena
Raha hifidy ihany ianao
Tsy aleo ve olom-baovao?
Matoa ny firenena anie mahantra toy izao
dia tsisy mba nahomby izay mpitondra tao e.
Aoka tsy ho voafitaka amin’ny endrika ivelany
fa saintsaino kely ny takaitra efa navelany.
Maro ireo safidy, ka dia hevero tsara
Fidio ny fitoniana ho an’ny Madagasikara
Rasamy
Sary fanaingoana: Haja Nirina